Ao anatin’ny fanomanana ny fanadinana ny tomponandraikitra sy ny mpiadina amin’izao fotoana izao. Iray volana mialoha ny CEPE, mandrefy ny fari-pahaizana amin’ny andrana ny mpiadina.
Mahatratra 27 581 ny isan’ny mpiadina amin’ ny fanadinam-panjakana CEPE ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra, araka ny vaovao navoakan’ny Cisco. Hiparitaka amin’ny foibem-panadinana 42 izy ireo mandritra izany. 19 amin’ireo manana fahasembanana na koa manana toe-tena “autiste”. 5 taona ny zazavavy zandriny indrindra hiatrika ny fanadinana amin’ity taona ity raha lehilahy 46 taona miahy tena kosa ny zokiny indrindra. Efa manana ny fandaminana amin’ny fandraisana ireo mpiadina manana fahasembanana ny foibem-panadinana tsirairay. Miaraka efitra amin’ny mpiadina tsotra ihany izy ireo amin’ny ankapobeny ankoatra ireo mila mpanaraka manokana ka mitokana efitra, hoy ny fanazavan’ny lehiben’ny Cisco mpisolo toerana eto Antananarivo Renivohitra, Ramisaharivelo Diamondra. Hotanterahina ny 18 jona ny fanadinana CEPE manerana ny Nosy. Efa eo am-pikarakarana ny taratasy fanadinana ho an’ny mpiadina ny Cisco amin’izao fotoana izao.
Hanala BEPC koa izy…
Ho an’ny fanadinana BEPC, 24 667 ny mpiadina eto an-drenivohitra. 21 546 nisafidy ny option A ary 3 120 ny option B. 35 ny foibem-panadinana handray azy ireo mandritra ny hefarana. 18 ireo manana fahasembanana hisedra ny BEPC. Ilay lehilahy hanala CEPE 46 taona ihany no zokiny indrindra amin’ny mpiadina ho an’ny BEPC ary 9 taona, zazavavy, zandriny indrindra. Mizara telo indray ny mpiadina BEPC: ho an’ny G1 hanala BEPC fotsiny,
2 466. G2 manala BEPC sy seconde 22 196 ary dimy ireo ao amin’ny G3 hanala seconde fotsiny. Hotontosaina ny 1 hatramin’ny 4 jolay ny fanadinana BEPC. Niatrika ny adina ara-panatanjahantena ny mpiadina tamin’ity herinandro ity ary anio no hanao ny taranja lomano eny amin’ny ANS Ampefiloha ireo nisafidy izany.
Vonjy