Tonga maro ireo mpianatra sy mpampianatra ary mpandraharaha ao amin’ny sampandraharaham-paritry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, ao amin’ny faritra Diana tamin’ny fanatanterahana ny hetsika « tagnamaro, andron’ny olom-pirenena », fanao isaky ny sabotsy fahatelon’ny volana, notontosaina tao amin’ny CFP par Excellence ao Antsiranana. Sekoly efatra LTP PK4, LTP PK3, CFPF, CFP par Excellence no niara-nisalahy nanao ny fanadiovana manodidina ny foiben’ny toeram-piofanana CFP par Excellence.
Ankoatra ny tany amin’ny faritra Diana, nanao hetsika tagnamaro koa ireo mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny DRETFP Vakinankaratra. Ny biraon’ny fitaleovam-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa no nohatsaraina. Nohavaozina ny endrika ivelan’ny birao. Natsaraina ny zaridaina tamin’ny fikolokoloana ireo voninkazo. Nifanome tanana tamin’ny mpiara-miasa ao amin’ny DRETFP ny avy eo anivon’ireo toeram-pampianarana teknika miankina amin’ny fanjakana.
Vonjy