Nifarana ny alahady lasa teo, tany Antalaha ny beach soccer tafiditra ao anaty «festival Mazavaloha». Norombahin’ny faritr’i Diana ny amboara sy ny medaly volamena ary ny lelavola 2 tapitrisa Ar avy amin’ny Telma, mpanohana ny hetsika. Resin’i Diana, tamin’ny isa tery, 5 no ho 4, teo amin’ny famaranana Atsinanana. Niady hatramin’ny farany ny fihaonana ary efa tany amin’ny fanalavam-potoana vao nivoaka ho mpandresy ry le Dada sy i Mami. Nisaraka ady sahala 4 no ho 4 ny roa tonta nandritra ny tapa-potoana telo nilalaovana. Nitarika tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipan’ i Diana teo amin’ny 12 mn voalohany avy eo nosahalain’Atsinanana teo amin’ny tapa-potoana faharoa. Nahazo ny laharana fahatelo, ny
ekipan’i Menabe. Lasan’ny SAVA ny amboaran’ny «Fair-play». Voahosotra ho mpilalao mendrika i Del, avy amin’i Diana ary mpiandry tsatoby mendrika i Gossy, mpilalaon’Atsinanana. Dingana manaraka ho an’ny rehetra ny fifaninanam-pirenena hatao any Manakara ny volana jolay, ho avy izao.
Tompondaka