Lavon’ny ekipan’ny Elgeco Plus, tamin’ny isa 2 no ho 0 ny ekipan’ny Fosa Junior Boeny, tany Mahajanga ny afakomaly. Lalao ampahefa-dalana mandroso amin’ny fifaninanam-pirenena Coca Cola Pureplay Football League. Tsara marihina fa hatao eny By-pass ny fihaonana miverina.
Hotontosaina ny 6 hatramin’ny 9 jona ho avy izao, eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahatena Mahamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika Atsinanana, taranja Karate Do. Firenena 10 no handray anjara amin’ity fifanintsanana ity, malagasy mpilalao 52 mianadahy no hiaro ny voninahi-pirenena malagasy.
Afaka efatra andro, hotanterahina eto an-
drenivohitra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, amin’ny hazakazaka lavitr’ezaka, «Semi-marathon», 21 km. Amin’io fotoana io ihany koa no hankalazana ny andro maneran-tanin’ny ankizy manao atletisma «Kids Athletics day».
Voahosotra ho tompondakan’i Angleterre, «Premier League», taranja baolina kitra, indray ny Manchester City. Faninefany amin’ity izy ireo no nandrombaka izany. Eo amin’ny laharana faharoa kosa ny Arsenal ary fahatelo ny Liverpool. Vaotendry ho mpampiditra baolina betsaka indrindra i Erling Haaland, mpilalaon’ny Manchester City.