Andrasana etsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, anio tolakandro i Royce Gracie, mpiangaly fanta-daza maneran-tany eo amin’ny taranja Jiu-Jitsu Breziliana. Ho feno ny fandaharam-potoana ho an’ity tompondaka maneran-tany amin’ny taranja JJB ity. Araka ny lamina napetraka, hitarika seminera en Gi (manao kimono) izy amin’ny alahady 26 mey, tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Ny Telozoro Events no tompon-kevitra amin’izao fandalovan’i Royce Gracie eto izao, izay nambaran-dRadafy Ranaivo sy Arianala Razafimbola, mpitantana ny Telozoro Events fa efa ela no nifampiresahana tamin’ity kalaza amin’ny JJB ity. Misy amin’izy ireto rahateo no mpianatr’i Royce Gracie ka izao vao tanteraka izany. Mialoha io fotoan-dehibe ny 26 mey io, hisy ny fampiofanana hafa ka hisantatra izany, rahampitso, ny seminera en Gi (manao kimono) hiarahana amin-dRazafimbola Arinala. Amin’ny 24 mey indray, seminera No-Gi (tsy manao kimono) hiarahana amin-dRadafy Ranaivo. Hofaranana amin’ny « Festival des arts martiaux» ny seminera amin’ny alahady tolakandro, tanterahina eny amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina. Taranja haiady hatramin’ny 10 eo no handray anjara amin’izany, anisany ny ady totohondry, kickboxing, wushu, tolona, tudo, taekwondo, capoera, aikido, diamanga ary ny JJB. Miara-miombon’antoka amin’izao hetsika izao ireo mpanohana marobe izay notoloran’ny federasiona fisaorana manokana.
Randria