SOMBIM-BAOVAO

Laharana faha-12 no misy ny Ankoay lehilahy, nandritra ny fiadiana ny tapakila hiatrehana ny lalao “Olympika Paris 2024 OQT”, izay natao tany Debrecen, ny 16-19 mey lasa teo. Firenena telo no tafita hiatrika ny “JO Paris 2024”. Anisan’izany i Lituanie, i France sy i Pologne.
Taorian’ny andro voalohany amin’ny fifaninanam-pirenena XXL Top 12, taranja Rugby, mitana ny laharana voalohany amin’izany ny Cosfa miaramila. Eo amin’ny laharana faharoa kosa ny FTM Manjakaray. Fahatelo ny Mang’Art Manjakaray. Raha tsy misy ny fiovana, hiverina amin’ny alahady ho avy izao ny fifaninanana XXL Top 12.
Nahoraka tao anatin’ny tambajotra-tserasera ny fanambaran’ilay Alema mpilalao baolina kitra, Toni Kroos, omaly. Hijanona tsy hilalao intsony ny tenany aorian’ny fifaninanana Eoropeanina “Euro 2024” sy ny famaranan’ny “Ligue des Champions (LDC)”. Tsia­hivina fa 34 taona i Toni Kroos izay milalao ao amin’ny Real Madrid Espagne.
Hontaterahina ny 14 jona ho avy izao, any Allemagne, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, “Euro 2024”, taranja baolina kitra. Anisan’ireo mpilalao mbola handrafitra ny ekipam-pirenen’i Portugal, i Cristiano Ronaldo na i CR7 sy i Pepe. Raha tsy misy ny fiovana, io no “Euro” farany hataon’izy mirahalahy.

Partager sur: