INDRAY MIJERY

Hitohy ny volon’andro ririnina ho an’ny roa andro manaraka fa hiakatra ny maripana farany ambany ny faran’ny herinandro ho an’ny afovoantany, araka ny fanambaran’ny foibe famantarana ny toetry ny andro. Mafana ny andro ary mibaliaka ny masoandro ho an’ny tapany andrefana ary hahazo orana ny any avaratra sy atsinanana. Eto afovoantany, 18°C ka hatramin’ny 21°C ny maripana.

Miisa 175 ireo tanora vaovao mpampanjary fandriampahalemana hisehatra amin’ny fokontany 10 ao Antsiranana. Vonona hanao asa hisorohana ny fifandirana sy hametraka ny fandriampahalemana eny amin’ ny fokontany misy azy avy izy ireo. Mifanohana amin’ny tetikasa ny minisiteran’ny Tanora, UNFPA ary ny Unicef.

Ho fanatsarana ny tetikasa “fanjarian-tsakafo an-tsekoly” dia nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpisehatra eny ifotony. Zava-dehibe ny fandraisana ireo fanamarihana sy soso-kevitra avy amin’ ireo mpisehatra amin’ny fitaleavam-paritra ara-pahasalamana ary ireo vovonana misahana ny fanjarian-tsakafo hahazoana vokatra azo tsapain-tanana ary maharitra ao amin’ireo faritra 13 misitraka ny tetikasa FAFI.

Manatanteraka varavarana misokatra ny CHU Fenoarivo ny 30 sy 31 mey izao. Omena sehatra ny fitiliana sy fitsaboana maimaimpoana ny aretin’ny fo sy ny lalandra ary ny diabeta izay iarahana amin’ny : “laboratoire Lincoln Pharmaceuticals LTD”. Aorian’ny fizahana sy fitiliana dia hisy fanafody maimaimpoana omena hanombohana ny fitsaboana.

Partager sur: