Fotoana mampirongatra be ny aretina tazomoka izao any Morondava. Saika ny antsasa-manilan’ireo olona tonga manao fizaham-pahasalamana dia voan’ny tazo avokoa rehefa atao ny fitiliana.
Tsy mifidy na zaza na ankizy na lehibe na tanora fa voan’ny tazo. Amin’ireo olona 50 raisin’ny tobim-pasahalamana ao natin’ny 1 andro, mararin’ny tazo avokoa ny 40 amin’izy ireo.
Matory any anaty ala ny mponina noho ny tsy fandriampahalemana. Eo koa ireo mpamboly miandry ny vokatra any an-tsaha dia matory any mihitsy miaro ny famboleny. Tsy matory ao anaty lay izy ireo ka lanin’ny moka mitondra tazo raha ny fanazavan’ny mpampivelona, Rasoarahona Bakoly, ao
amin’ny CSB Analaiva.
Lavidavitry ny tobim-pahasalamana avokoa ny ankamaroan’ny fokontany, satria misy hatrany amin’ny 16 km toy ny ny fokontany Betsifeno, Belobaka, Besonjo… Efa 3 na 4 andro anaty fanaviana be ny marary vao tonga eny amin’ny tobim-pahasalamana.
Raisina an-tanana avy hatrany izy ireo ary omena ny fanafody ACT maimaimpoana fitsaboana ny tazo. Arahi-maso anatin’ny 3 andro ary ampianarina amin’ny fiarovan-tena amin’ny kaikitry ny moka izay fototry ny aretina tazo.
Manodidina ny 20 050 ny mponina amin’ireo fokontany 17 sahanin’ny CSB2 Analaiva.
Tatiana A