Hanohy ny seho any Allemagne ry Ralah Trio. Tafahoana indray any Frantsa, ary nandray anjara tamin’ilay hetsika “Festival Tsika Jiaby” ry Ralah Trio. Fantatra fa hitodi-doha ho any Allemagne ry Tsanta (marovany, gitara, trompetra ary vata maroafitsoka), Ranto (gitara beso) ary Titan (amponga maroanaka), ka hiaka-tsehatra any Mainz ny alarobia 5 jona izao.
Taitra, mifoha, mandray andraikitra! Tsy hoenti-miserasera na mifandray fotsiny ihany ny tambanjotra fa azo handrefesana dingana ihany koa, raha ampiasaina amin’ny tokony ho izy. Tsikaritra ao anatin’ireny tambanjotra maro mampiasa ireny fa miditra tsikelikely amin’ny fitiavana ny kolontsaina ny tanora malagasy. Manomboka omeny lanja izy ireny ka hanentanany ny namany.
Nifanojo indray i Erick Manana sy i Joel Rabesolo. Mbola endriky ny fisokafan’i Erick Manana amin’ireo mpanakanto malagasy hafa, indrindra ny tanora ity fiarahana ity. Vao nanandrana, avy hatrany dia nitovy ny tadin-dokanga, na dia samy manana ny fironany amin’ny mozika aza izy mirahalahy. Hanohy ny fiakarana an-tsehatra any Toulouse, Frantsa, izy ireo ny 29 jona izao.
Miisa 20 ireo mpifaninana voafantina hiatrika ny dingana famaranana ny fifaninanana “Miss Madagascar 2024”. Fifaninanana izay hatao eto Antananarivo, ny volana septambra 2024. Ankoatra ny bika aman’endrika, anisan’ny hitsarana ireo mpifaninana ihany koa ny fahaizana sy fahalalany.