Afaka andro vitsy: hisongadina indray ny fisian’ny Reny

«Fetin’ny Reny », hono, ny 26 mey izao. Hotolorana fanomezana i Neny. Ny fihetsika sy ny fiteny, hatao izay mahafaly an’i Neny… Hison­gadina indray ny fisian’ny Reny. Tsa­roana ao anatin’ny ora maromaro ny adidy lehibe eo an-tsorony. Kitapo nifonosana, niankin-drindrina irery, nisotro ny rano tsy tiana, nampinono, nitrotro, nibaby, nanome sakafo raha noana, nanolokolo ho olom-banona, sns. Ny fahatsiarovana ireny no manamafy ny fitiavana an’i Neny. Na teo na tsy tsia ny « Fetin’ny Reny », hain’ny Malagasy tsara fa fanaja sy fanome hasina izy ireny.
… Fa, anisan’ny nanimba io fanajana ny Reny nananan’ny Malagasy io ny « fandrosoana ». Ilay Reny nijanona tao an-trano nikarakara sy nanabe ary nitaiza ny taranany ho tonga olom-banona, nanjary zara raha hitan’ny zanany (miresaka, mifanakalo hevitra…) ao anatin’ny andro iray. Tsy misy fanabeazana vanona ao amin’ny ankohonana iray, raha tsy afa-mitakosina amin’ny zanany ny Reny. Ny efan’ny Reny, tsy efan’ny Ray. Lamina voajanahary io. Hain’ny Malagasy tsara ka nanomezany hasina ny Reny.
… Hatramin’izao, tsy mbola misy mahasolo ny Reny. Fantatry ny vahiny tsara fa avy amin’ny Reny no nahazoana « firenena » vanona. Nataon-dry zareo izay hanalana tsikelikely ilay fifamatorana eo amin’ny Reny sy ny zanaka. Tsy vitan’ny Reny intsony ny mananatra, mikapoka, satria, « mila arovana, hono, ny zon’ny zaza » !

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: