“Etoiles montantes Star” : nivoaka ny andiany voalohany

Hanomanana ny “kintana” aoriana. Fandaharahanasa iray novolavolain’ny Star, ho fandrisihana sy fanohanana ireo zanaky ny mpiasa nahazo ny “mention bien” sy “très bien” nandritra ny fanadinana bakalorea ny “Etoiles montantes Star. Ny taona 2018 no nanombohana azy, izay natao hanamaivanana ara-pitaovana sy ara-bola ny ray aman-dreny amin’ny fanohizan’ireo mpianatra ny fianarany eny amin’ny ambaratonga ambony. Vita izay ny dimy taona, ka nivoaka ny zoma teo ny andiany voalohany tamin’ity fandaharanasa ity. Telo izy ireo no nisitraka ny vatsim-pianarana nandritra 5 taona. Eric Andrianina Rason (Audit et Finance – ISCAM), Kanto Herisoa Andriamampianina (Sciences de gestion – ISCAM) ary Tatiana Jackie Randrianandrasana (Marketing management & Innovation ISCAM.)
Mazava loatra fa nisitraka ny fianarana asa ao amin’ny Star ihany koa ireto mpianatra mendrika ireto. Mbola misy mpianatra 10 manohy ny fianarana amin’izao fotoana ary 8 hafa kosa vao niditra. Tanjona amin’ny programa “Etoiles montantes Star” ny hampiroborobo ny hasarobidin’ny asa sy ny fahamendrehana, tsy eo amin’ny mpiasa ihany fa eo amin’ ny zanany ihany koa.

Zo ny Aina

Partager sur: