Masoivoho frantsay tany Sava : nanolotra 71 tapitrisa Ar ho an’ny Care

Nitsidika ny faritra Sava tany Sambava sy Antalaha ny masoivohon’i Frantsa miasa eto amintsika, Arnaud Guillois, ny herinandro lasa teo. Fi­dinana ifotony voalohany notanterahiny tany an-toerana izao. Nidinidinika tamin’ny manam-pahefana izy momba ireo tetikasa fiaraha-miasa efa misy sy ny fanatsarana izany amin’ny ho avy. Nanolotra taratasim-bola mitentina 71 tapitrisa Ar ho an’ny ONG Care International Madagas­car izy, ho fanohanana ny asan’ny ekipa manoloana ny fanarenana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane tany amin’ny faritra Sava izay namela takaitra mavesatra. Ny distrikan’i Vohemar no tena voa mafy vokatry ny tondradrano sy ny fahasimbana fotodrafitrasa maro. Efa misehatra amin’ny fanarenana ny Fandaharanasan’ny firenena mikambana momba ny sakafo (PAM) mahakasika ny sakafo sy ny rano madio fisotro. Vonona ny hanao tantsoroka ho azy ireo ny fanjakana frantsay, araka ny nambaran’ny masoivohony eto amintsika.
Nihaona tamin’ny ekipan’ny fikambanana Grandir di­gnement koa izy nandritra ny fandalovany tany Antalaha. Manampy ity fikambanana ity amin’ny alalan’ny Agence française de développement i Frantsa. Mikarakara ireo tsy ampy taona mamita sazy na miandry fitsarana any am-ponja ny fikambanana mba ho voahaja ny zon’izy ireo. Ma­nentana ny mponina koa ny fikambanana mahakasika ny fandraisana an-tanana ireo ankizy manana olana amin’ny lalàna.

Vonjy

Partager sur: