Tsy hisy fiforonana andro ratsy mety hahakasika ny toetry ny andro eto Madagasikara hatramin’ny 28 mey ho avy izao. Hangatsiaka ny andro ary handrivotra ny ankamaroan’ny faritra eto amin’ny afovoantany, ny faritra avaratra, ny morontsiraka atsinanan’ny Nosy ary ny morontsirak’i Sofia sy Boeny. Hihamalefaka ny tsiokan’ny alizay rahampitso ary handrafitra ny toetry ny andro manomboka ny sabotsy ny fandalovan’ny rindrin-drahona any atsimon’ny Nosy.
Varavarana misokatra andiany fahadimy eny anivon’ny hopitalim-panjakana manerana ny Nosy, nanomboka ny talata lasa teo ary hifarana anio, araka ny fanazavan’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Misy tolotra fahasalamana marobe maimampoana miandry ny rehetra mandritra ny hateloana.
Manao fanentanana ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka amin’ny tokony hanjifana ny fanafody sy ireo kojakoja ara-pahasalamana eny amin’ireo toerana nahazo alalana avy amin’ny minisitera. Anisan’ny farmasia, hopitaly, tobim-pahasalamana sy ireo tobim-panafody ara-dalàna.
Tao anatin’ny hatsiaka mamirifiry no niantrehan’ny mpiadina ara-panatanjahantena ho an’ny fanadinana BEPC teny amin’ny kianja Ambohidratrimo, omaly. Nilamina tamin’ny ankapobeny ny fanadinana ary mitohy rahampitso izany ho an’ny sekoly sasany tsy mbola nahavita.