Hatao eto Madagasikara amin’ny 6 hatramin’ny 9 jona izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika faritra Atsinanana, ho an’ny taranja karate. Firenena 10 amin’ireo 14 mpikambana no handray anjara amin’izany. Fifaninanana natokana ho an’ny sokajy cadet, junior ary senior. Ho an’i Madagasikara, 52 be izao no hiaro ny voninahi-pirenena, ka ny 12 amin’ireo no hanao ny Kata raha hanao ny Kumité kosa ny 40. Nambaran’ny filohan’ny Federasion’ny Karate-do Madagasikara, Ratefina-nahary Emile, fa tsy hamotsotra ny medaly volamena ho an’ny vahiny ny Malagasy. Zava-dehibe ity fifaninanana ity, hoy hatrany ny filohan’ny FKM, satria misy ny isa azon’ny karatekas, izay hametraka ny filaharany aty Afrika. Tombony ho an’ny Malagasy rahateo ny fampiantranoana izany, nahafahana nandahatra karatekas maro. Maro ny vahiny hanatrika mandritra io fifaninanana io, toy ny filoha lefitry ny Federasiona iraisam-pirenena, ny filohan’ny UFAC sy ireo manam-pahaizana maro, izay hampiofana ny mpitsara sy ireo mpanazatra.
Randria