Izay vao milamina ny zava-drehetra. Tontosa ny talata 14 mey lasa teo, teny amin’ny foibe toeran’ny baolina kitra malagasy eny Isoraka ny fifanaovan-tsonia, fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny Me Rakotondrabe Romuald (Rôro) sy ny Federasiona malagasy (FMF). Araka ny fampitam-baovao, haharitra hatramin’ny volana oktobra 2026 izany fifanarahana izany. Me Rôro, araka izany, no mpanazatra ofisialy ny ekipam-pirenena malagasy, Barea de Madagascar “A”. Izy, araka izany, no hitondra ny Barea de Madagascar, amin’ireo lalao fifanintsanana rehetra hataon’i Madagasikara. Anisan’ izany, ny fiadian-toerana ho an’ny “Mondial 2026”, tafiditra ao anatin’izany ny lalao hatao atsy Afrika Atsimo ka hikatrohana amin’i Comores, ny 7 jona ho avy izao ary ny fifandonana amin’i Mali, ny 11 jona 2024.
Ankoatra izay, eo koa ny fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Can 2025), hanomboka ny volana septambra ho avy izao.
Tsiahivina fa nanomboka ny taona 2023 no nitondra ny Barea de Madagascar ka niatrehana ny Chan izay nahazoana ny laharana fahatelo.
Tompondaka