Handball – IHF Trophy Junior: resin’i La Réunion ny Akio de Madagascar

Ratsy fanombohana ny Akio de Madagascar teo amin’ ny andro voalohany hiadiana ny “IHF Trophy”, faritra fahafito taranja handball sokajy “junior”, lehilahy. Fihaonana tanterahina etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Resin’i La Réunion, tamin’ny isa 31 no ho 29 ry zalahy. Niady ny fihaonana saingy tombony ho an’ny La Réunion ny fahaizana manararaotra ny baolina very teo amin’ny Malagasy. Nitarika tamin’isa hatrany i La Réunion, ka teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, 17 no ho 14 nisarahan’ny roa tonta. Nanao izay ho afany ny Akio teo amin’ny fizaram-potoana faharoa fa hain’ny Renioney ny nitazona ny elanelan’isa.
Tsiahivina fa tsy tafiditra ho anisan’ireo ekipa mifaninana amin’ity IHF Trophy ity i La Réunion, noho izy ireo tsy ao anatin’ny faritra faha-7. Tsy tonga i Comores raha tsy anio noho izany “forfait” ka nahazo fandresena i Seychelles, tokony hidona taminy omaly ho an’ny sokajy “cadet”’ sy “junior”. Hitohy anio ny fifanintsanana ka hidona amin’ny Akio i Seychelles eo amin’ireo sokajy roa ireo.
Marihina fa ekipa 3 no hiady lohany ho an’ny “cadet” dia i Comores, Seychelles ary i Madagasikara. Efatra ny eo amin’ny sokajy “junior” dia i Madagasikara sy i La Réunion ary i Seychelles sy i Comores.

Tompondaka

Partager sur: