Lalao goavana no miandry ireo ekipa valo mifaninana amin’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara amin’ny 2 jona ho avy izao. Hotanterahina eto an-drenivohitra avokoa ny lalao ampahefa-dalana rehetra.
Lalao madio ! Tao anaty mangarahara tanteraka no nanaovana ny hatsapaka hahafantarana izay hifanandrina amin’ny ampahefa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe”, omaly, teny Andraharo. Toy ny lalao famaranana avokoa ny fihaonana rehetra hatao eto Antananarivo, ny 2 jona ho avy izao. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny fifandonan’ny Ajesaia Bongolava sy ny Elgeco Plus Analamanga, tompon’ny amboara farany teo.
Mbola manala vela ny mpilalaon’ny Elgeco Plus, efa lavon’ny ekipan’i Bongolava tamin’ny isa 2 no ho 1 izy ireo nandritra ny ampahefa-dalan’ny fifaninanam-pirenena OPL, (izay lasa Coca Cola Pfl), ny taona 2022.
Adin’ny samy avy eny Alarobia
“Ry zareo tompon’ny kianja fa izahay tompon-tanàna, adin’ny samy avy ety Alarobia ny fihaonan’ny Inate FC Rouge sy ny Uscafoot. Ety Alarobia ny fiavian’ny FC Rouge. Hiezaka izahay ny handresy ireo mpilalaon’ny Uscafoot”, hoy Rakotondramiara Hasina, filohan’ny klioba Inate FC Rouge Vakinankaratra. Raha ny nambarany ihany, efa nanomana nandritra ny fotoana maro ity ekipa solontenan’i Vakinankaratra ity. Notsiahivin’i filoha Hasina fa mbola manala vela ny Uscafoot amin’ity, efa resin’ny Inate FC Rouge tamin’ny isa 1 no ho 0 ny ekipan’Antananarivo, nandritra ny 1/16-n’ny “Telma Coupe 2023”. Nisy moa ny fihaonana ara-pirahalahiana roa nataon’ny roa tonta, tamin’ity taona ity, ka nisaraka ady sahala 1 no ho 1 sy 0 no ho 0 izany.
Ankoatra izay, tsara marihina fa hanao “Super Coupe” amin’ny Elgeco Plus,izay klioba mahazo ny amboara. Raha mbola azon’ny Elgeco ny amboara “Telma Coupe” amin’ity dia tsy misy ny “Super Coupe 2024”.
Fitia Randria
Ny fihaonana rehetra amin’ny ¼ dalana :
02/06/2024
Toerana : Antananarivo
Elgeco Plus vs Ajesaia
Uscafoot vs Inate FC Rouge
Disciples FC vs Fosa Juniors FC
CFFA vs Zanakala FC