Hand Ball – IHF Trophy : nahazo fandresena telo ny Akio, omaly

Nandresy avokoa ireo ekipa nasionaly malagasy Akio, sokajy “juniors” sy ny “cadets”, omaly, nandritra ny fifaninanana “IHF Trophy” faritra fahafito, taranja Handball, lehilahy, izay atao eto Mada­gasikara, ny 22 – 25 mey. Lavon’i Madagasikara, tamin’ny isa 49 no ho 10 i Seychel­les, teo amin’ny “cadets U18”. Ary mbola nomontsanan’ny Malagasy mpilalao, 42 no ho 14 ihany ireo seyseloa, nandritra ny andro faharoan’ny “Junior U20”. Resin’ny Akio junior U18, tamin’ny isa 10 no ho 0 i Comores, rehefa tsy niakatra kianja.
Raha hiverenana ny fihaonana nataon’ireo Malagasy U20, omaly, nanindry tanteraka ireo mpilalao voafantin’i Seychelles izy ireo. Teo amin’ny fizaram-potoana voalohany, nitarika tamin’ny isa 22 no ho 6 ny ekipam-pirenena malagasy. Nandritra ny fidirana faharoa, nampitomboan’ny mpi­lalaon’ny Akio ny isa teny amin’ny solaitrabe, raha toa ka mba niezaka nampihena ny elanelan’isa ry zareo seyseloa. Nisaraka 42 no ho 14 ny fihaonan’ny roa tonta, nandresy ny ekipa nasionaly ma­lagasy.
Tsiahivina fa nandritra ny andro voalohany, resin’i La Reunion, 31 no ho 29 i Mada­gasikara.
Marihina fa izay tompondaka amin’ity no miakatra eo amin’ny IHF Trophy faritra kaontinantaly. Mandray anjara fotsiny i La Reunion fa tsy afaka miakatra amin’ny dingana manarakin’ny IHF Trophy.

Fitia Randria

Partager sur: