Iray amin’ireo mpikosoka kapila efa voky traikefa i Dj Dina. Efa an-taonany maro ihany koa no mila ravinahitra any Frantsa izy. Mandalo eto an-tanindrazana amin’izao fotoana izao, ary nitafa fohy tamin’ny mpanao gazety ity mpikosoka kapila ity. “Manembona ireo fotoana niarahana teto ka hamerina kely izany”, hoy izy, tetsy amin’ny Oxygène, Hôtel Centell Antanimena, omaly.
Ao amin’ity toerana ity ihany koa no fotoana voalohany homen’i Dj Dina, anio manomboka amin’ny 9 ora alina. Hamerina ny fiarahana mandritra ny ora efatra izy, ankoatra ireo vahiny nasainy manokana. Hihazo an’Antsirabe, Mahajanga ary Toliara kosa aorian’izay.
35 taona nisehatra, fa mbola manana tetikasa maro hotanterahina eo amin’ny sehatry ny fikosehana kapila sy ny fanafanana lanonana i Dj Dina. Mikasa ny hampiditra ilay fifaninanana fikosehana kapila maneran-tany, « Disco Mix Club » eto Madagasikara izy. Hiara-dalana amin’izay anefa, hanangana ny « Madagascar DJ Academy », izay sekoly hanofana mpikosoka kapila ho matihanina ihany koa i DJ Dina.
Zo ny Aina