Mahalana vao ahitana hetsika lehibe natokana ho an’ny bagasy ranoiray tahaka ity. « Redombe Bagasy », fampisehoana an-tsehatra hotontosaina ao amin’ny CCEsca Antanimena, ny tolakandron’ny sabotsy 25 mey ho avy izao. « Vonona izahay. Fotoana ela rahateo no niomanana. Mpandray anjara maro no hiaka-tsehatra. Hira maro no hokaloina… », hoy i Jeannot Rasolondraibe, anisan’ny mandray anjara. Hitety vanim-potoana (1900-1960) ireo hira 37 ho vetsoin’ireo mpandray anjara 60 mianadahy eny an-tsehatra. Tanjona ho amin’ny fanatanterahana ity « Redombe bagasy » ity ny ahafahana mifanome tanana ho amin’ny hoenti-manana ny fanatontosana ny rakitsary sy ny rakikira. Anisan’ny asa goavana miandry ny « Sehatra bagasy » ihany koa ny fanatontosana ny fandraiketana an-taratasy amin’ny alalan’ny sorapeo « solfa sy solfezy » ireo hira bagasy nojarian’ireo mpanakanto andrarezina.
HaRy Razafindrakoto