“Festival BD de Montréal”: mandray anjara amin’ny hetsika i Catmouse

Tanterahina manomboka anio hatramin’ny 26 mey 2024, ao Montréal, Canada, ny “Festival BD de Montréal” (FBDM), andiany faha-13. Mpanao tantara an-tsary maro, avy amina firenena maro samihafa no mandray anjara sy maneho ny talentany ao anatin’izany. Ankoatra ny fihaonana amin’ireo mpanao tantara an-tsary kalaza, hetsika maro manodidina ny tantara an-tsary ihany koa no ho hita mandritra ny FBDM. Anisan’izany Rajemison Dinah, fantatra amin’ny anarana hoe “Catmouse” eo amin’ny sehatry ny fanaovana tantara an-tsary.
Fampiratiana ahitana lohahevitra valo no handravaka ity hetsika lehibe eo amin’ny tontolon’ny tantara an-tsary ity. Ho an’i Catmouse, hisy ny fampiratiana ireo sary novokariny. Hisy ihany koa ny fanehoana ny talentany sy fahaiza-manaony amin’ny alalan’ny fanaovana sary ampahibemaso, ny 25 mey 2024, arahina tafa sy dinika. Raha tsiahivina, avy amin’ny vatsim-pianarana “Alevini”, no nahafahany nifaninana ho anisan’ireo handray anjara amin’ny FBDM ka izao nahavoafantina azy izao. Miisa 3 izy ireo no misolo tena ny ranomasimbe Indianina ao anatin’izany. Ahitana an’i Catmouse sy Heri Shinato ary Franco Clerc.
Fanararaotra lehibe hivelarana sy hampivoarana ny haikanto iangaliana ny hetsika iraisam-pirenena sahala amin’izao. Tsy fihaonana amin’ireo mpahay kanto fotsiny ihany mantsy fa hamatarana ny tontolon’ny tantara an-tsary amin’ny antsipiriany mihitsy.

Lin

Partager sur: