TARATRY ny KANTO

Teo amin’ny laharana fahavalo no nisy an’i Andrianahy Zanadaory Joel Bastina, fantatra amin’ny anarana hoe Konahy Junior, nandritra ny fifaninanana “Africa Championship Online 2024”. Hiatrika ny fiadina ny ho tompondaka maneran-tany eo amin’ny “Slam poèsie”, atao any Togo, ny volana novambra izao izy.

Ny tarika Iraimbilanja indray no hanafana ny sehatry ny Piment Café, eny Behoririka, anio hariva. Tsy miova fa ny hira nahafantarana ny tarika hatramin’izay no hokaloin’ny tarika mandritra io fampisehoana io. Hisy ihany koa ny fampahafantarana ireo hira vaovao sy ny tetikasan’ny tarika.

Misokatra ho an’ny rehetra, indrindra ny mpankafy ny gadona Reggea ny fampisehoana iarahana amin’i Kheman, eny amin’ny Le Garage Antsa­havola. Fampisehoana atao anio hariva. Na dia anisan’ireo mpanakanto vao misandratra aza, vonona ny haneho fampisehoana matihanina i Kheman.

Tanterahina ny 1 hatramin’ny 8 jona 2024, eny amin’ny IFM Analakely, ny “Festival Zaza mifety” andiany faharoa. Hetsika natao manokana ho an’ny ankizy. Handravaka izany ny fampisehoana, fanentanana, fandefasana horonantsary ary atrikasa hanomezana sehatra sy natao hampivelarana ny ankizy.

Partager sur: