Maro ny sampandraharaha ao amin’ny hopitaly loteranina Ambohibao fa ny foibe mitsabo ny fangejan’ny zava-mahadomelina no tena ahafantaran’ny olona azy. Hiitatra amin’ny fitsaboana ny aretin’ny voa ihany koa ny hopitaly.
Manamarika ny ivon’ny fankalazana ny faha-40 taona nijoroany ny tobim-pitsaboana Loteranina Ambohibao (LTPA). Anisan’ny mampiavaka ny hopitaly ny fisian’ny foibe misahana ny fanalana ny fangejan’ny zava-mahadomelina. Maro ny olona mangetaheta hiala amin’ny fatoran’ny zava-mahadomelina. Eo koa ireo ray aman-dreny mitondra ireo zanany tanora vao erotrerony voagejan’izany. Maharitra 21 andro ny fitsaboana ary olona 8 no raisina ao anatin’izany.
Misy ny sampandraharaha mikarakara ny fiterahana sy ny fandidiana ihany koa ao an-toerana. Ankoatra ireo ny sampandraharaha ORL mitsabo ny tenda, ny sofina ary ny orona. Sampandraharaha mitsabo ny nify sy ny aty vava… Eo koa ny laboratoara fanaovana fitiliana ireo karazana aretina.
Ho fanamarihana ny faha-40 taona, hisy ny fananganana Chapelle sy fividianana radio numérique hanatsarana ny fampitaovana ny hopitaly, hoy ny lehiben’ny hopitaly, Dr Ranarivony Prosper. Hatsaraina ireo sampandraharaha misy ary hampitomboina ireo karazana tolotra. Hitarina amin’ny sampandraharaha mitsabo manokana ny zaza sy ny fitsaboana ny voa.
Hisy ihany koa ny fanitarana any amin’ny toeran-kafa, toy ny any Ankazobe sy Ankadinondry Sakay.
Omaly ary mitohy anio ny fitiliana maimaimpoana sy fizahana tosidra ary fanomezana fanafody. Fitiliana ny diabeta, fijerena maso, orona ary ny tenda sy ny sofina (ORL) ary fitarafana (échographie).
Foiben’ny TPLA ny eo Ambohibao fa misy ny sampana eny 67 ha, Tsiroanomandidy sy any Nosibe, Ifanja, Analavory. Dokotera 12 no mampihodina ny fitsaboana ao amin’ny TPLA Ambohibao amin’izao fotoana.
Tatiana A