Tsenaben’Antananarivo : afapo ny mpikarakara

Mbola hitohy hatramin’ny alahady izao ny varotra fampirantiana ahafahana misafidy fanomezana ho an’ny reny, izay tontosaina eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena karakarain’ny Reny Events, nanomboka omaly. Fanampiana ireo sahirana sy tsy manam-potoana hitadiavana fahatsiarovana ho an’ny reny, navondrona ao an-toerana ny mpandraharaha 70 samy manana ny mampiavaka azy amin’ny tolotra. Manao fihenam-bidy 10 ka hatramin’ny 50% izy ireo hisarihina ny mpanjifa, hoy ny mpikarakara, Rasolonaivo Mirantsoa, teny Mahamasina, omaly. Tsy ataon’ny isan-tokantrano ambanin-javatra ny fetin’ny reny ka samy te hanamarika izany amin’ny vola misy eo am-pelatanana ny rehetra. Akanjo, poketra, kojakojan-dakozia, firavaka, ireo no tena be mpisafidy ho hatolotra. Misy hetsika roa ao Mahamasina fa eny amin’ny tokotany ambony no misy ny tsenanben’Antananarivo. Misy vidim-pidirana fa mbola hosarihina koa ny tapakila ahazoana loka ho an’ny neny. Ho an’ny andro voalohany, afapo ny mpikarakara fa betsaka ireo namaly ny antso. 2 000 no andrasana hatramin’ny alahady.

Vonjy

Partager sur: