Nisy vokany ny tetikasa Sahaza, sehatrasa hanatsarana ny antoka ara-tsakafo sy ny fanjarian-tsakafon’ny reny sy ny zaza ho an’ny faritra telo iasana : Vakinankaratra, Itasy ary Amoron’i Mania. Tanjona ny hampihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka mahazo ny ankizy latsaky ny 5 taona izay ambony raha mitaha amin’ny taha nasionaly, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny ONN, profesora Vololotiana Hanta Marie Danielle, omaly, teny Anosy. Mahatratra 39% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka ho an’ny zaza latsaky ny 5 taona (fanadihadiana MICS 2021) ary 50% mahery izany ho an’ireo faritra voalaza ireo. Nisy ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra amin’ny Ofisim-pirenena sy ny ofisim-paritra momba ny fanjarian-tsakafo nahafahana nandrindra ny fanatomorana marolafy teny ifotony. Nomena fiofanana ny ray aman-dreny momba ny sakafo ara-pahasalamana sy ny fahasalamana. Teo anelanelan’ny taona 2021-2023, nihena ho an’ny 3% amin’ny tokantrano niantefan’ny asa sisa no nanan-janaka tratran’ny aretim-pivalanana raha 17% izy ny taona 2021. Efa mihinana ny sokajin-tsakafo dimy amin’ny valo fara fahakeliny ny ankamaroan’ny kilonga vokatry ny fampianarana teny anivon’ny tobin’ny fanjarian-tsakafo, hoy ny tomponandraiktiry ny Jica eto Madagasikara, Tanaka Kaori. Nidina ho 40% koa ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka tao anatin’ny dimy taona nisian’ny tetikasa Sahaza. Niara-niasa tamin’ny Jica ny minisiteran’ny Fambolena, Fahasalamana, Rano nanatontosa ny sahanasa rehetra ary ny ONN sy ny ORN.
Vonjy