Nanana ny lanja sy hasina lehibe ny Reny teo amin’ny Malagasy. Nandray sy nankato izany ihany koa ny Reny, fahiny, hany ka nanantaranaka vanona. Nampinonoany, nobeaziny, nanariny (anatra), notezainy, nokapohiny ny menaky ny ainy. Taty aoriana, rehefa niditra ny vahiny (Anglisy, Frantsay, Arabo…), niova ny endri-piarahamonina nisy fahagola. Niova tsikelikely ireo rehetra ireo.
Nanjary, Reny fotsy varavarana. Reny mpivarotena. Reny mpanary zanaka. Reny mpimamo lava. Reny maty hasina, sns. Tsy nahatazona ilay adidy iantsorohany intsony ny Reny, nanomboka teto. Fitaratra mangavoka ho an’ny taranany sy ny fiarahamonina ary ny firenena manontolo. « Firenena » avy amin’ny Reny. Nanjary nitotongana i Madagasikara manontolo.
Vahaolana tsy manjary
Samy mikaroka vahaolana hanarenana ny lesoka ny rehetra. Saingy, vao mainka milentika any amin’ny kizo ny fiainam-piarahamonin’ny Malagasy, satria, tsy ny olana no vahana fa ny endrika ivelany no nampiana mba ho ratsy kokoa. Fahiny, nohadihadiana fatratra izay ho loharanon’ny taranaka (Reny). Vanim-potoanan’ny ankehitriny, nisalotra endrika hafa izany ka : « faka vady avokoa ny rehetra satria samy zanak’Andriamanitra » !
… Na ny fahiny na ny ankehitriny, ny Reny, Reny hatrany : fanaja, fihantahantana, fitarainana… Mila mendrika ny hasina omena azy kosa anefa ny Reny, mba tsy ho raraka ny ilo mby an-doha !
HaRy Razafindrakoto