Nomen’ny Orange Madagascar boky volafotsy i Hary Rabary. Ny filohan’ny Orange Solidarité Madagascar no nanolotra azy izany, tetsy amin’ny Tranomboky Monisipaly Analakely, omaly. Tsy nahazo ny “Prix Orange de livre Afrique” na ny POLA 2024 izy, saingy tao anatin’ny 5 voalohany kosa. Noho izay lalana nodiavin’ny mpanoratra sy ilay boky “#zakoa” izay no nanomezana azy izao fankasitrahana izao.
Efa vita sokitra ao anatin’ny sain’ny Malagasy ny fomba vahiny ka tsy fantany intsony ny azy. “Fetin’ny Reny”, hono! Tsy misy tsara tahaka ny fanajana ny Reny. Fanomezan-kasina azy. Tsy voatery hanome fanomezana ho an’ny Reny akory ny zanaka na ny vady, rehefa mandalo io lazain’ny vahiny ho “Fetin’ny Reny” io. Fifamatoran’ny fitiavana eo amin’ny ray sy ny Reny ary ny Zanaka no zava-dehibe sy mila iainana isan’andro.
Tanterahina, eny amin’ny AFT Andavamamba, anio, ny “Olympiades culturelles”. Hetsika mamondrona ireo kolontsaina sy zavakanto voasokajy ho fanaon’ny ety an-tanàn-dehibe. Anisan’izany ny Grafitti, ny Beatmaking, ny Parkour, ny Slam ary ny dihy Hip hop. Hisy ny atrikasa momba azy ireo mandritra ny hetsika ary faranana amin’ny fampisehoana.
Misy ireo fampisehoana manokana, entina manamarika ny fetin’ny reny, ny 26 mey 2024, ho an’ny eto Antananarivo. Anisan’izany ny etsy Antsahamanitra, iarahana amin’ny Lola sy Njakatiana ary Mathieu La Voix d’or. Eo ihany koa ny ao amin’ny CCEsca, iarahana amin’i Voahirana, Lilie, Farakely, Goth ary Mahery.