1 000 isan-taona no voadidy : miafina mitoka-monina ireo tratran’ny aretina mamany lava

Iray amin’ny voka-dratsin’ny vohoka aloha loatra sy ny fahasarotan’ny fiterahana ho an’ny vehivavy ny aretina mamany lava. Tao anatin’ny 13 taona, mahatratra 11 676 ny vehivavy voadidy ka tsy nahomby ny fandidiana ho an’ny 5% tamin’izy ireo.

5 000 isan-taona ny vinavina amin’ny tranga vaovao ho an’ny aretina mamaly lava, 1 000 amin’ireo ihany anefa no voaray an-tanana ka voadidy manerana ny Nosy, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitra amin’ny fandaharanasa mikarakara ny aretina mamany lava eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka, Raveloarinarivo Malala, teny Andraharo, omaly. Vokatry ny fahasarotan’ny fiterahana na fihetsehan-jaza ela loatra (andro maromaro) no mitarika ny aretina. Lasa misy fifandraisana tsy araka ny tokony ho izy eo amin’ny lalanjaza sy ny tsinaibe ary ny tatavy ka mahatonga ilay vehivavy tsy mahatana ny fivalan-drano fa mandeha ho azy tsy mitsahatra ary miteraka fofona ratsy eo aminy. Ireo olona fohy (latsaky ny 1m50) na ireo zatovovavy miteraka aloha loatra (tsy mbola tomombana handray zaza ny taova), na tery ny lalana andehanan’ilay zaza no hisehoan’ny aretina matetika. Mandritra ny fisafoana, tokony refesin-drasazy na ny mpitsabo ny taola-mojan’ny mpitondra vohoka handraisana fepetra na mila fandidiana na tsia ilay vehivavy. Azo tarafina amin’ny “échographie” koa izany, hoy ny tomponandraikitry ny fananahana ara-pahasalamana ao amin’ny UNFPA, dokotera Razanalison Falinirina.
Ilaina, noho izany, ny fisafoana sy ny fiterahana eny amin’ ny tobim-pahasalamana misy razasy na dokotera nahazo fiofanana hisorohana ny faharovitan’ny lalanjaza hiteraka ny aretina mamany lava. 40% amin’ny vehivavy ihany anefa no tonga miteraka eny amin’ny toeram-pitsaboana misy mpiasan’ny fahasalamana voaofana.

Tsy tratra hatrany ny tanjona
Ny taona 2023, vehivavy tratran’ny aretina mamany lava 1 500 no hodidiana, 1230 no voadidy ary 1171 no sitrana soa aman-tsara, tsy tomombana kosa ny fandidiana ho an’ny 59 tamin’ireo niatrika izany. Matetika, rovitra tanteraka ilay tatavy (lehibe ny ratra) ka sarotra ny fandidiana. Indraindray misy vehivavy miatrika fandidiana inenina noho ny fahasarotana.
Mitoka-monina koa ireo vehivavy tratran’ny aretina mamany lava satria menatra sy ahiliky ny fiarahamonina noho ny fofona ratsy miaraka aminy ka sarotra ny mitady azy. Handaniana vola 1 966 000 Ar ny vehivavy hiatrika fandidiana fistule iray (saran-dalana, sakafo, fanafody fitaovana…). 21 andro ny faharetan’ny fijanonany eny anivon’ny hopitaly.

Vonjy

Partager sur: