Centre Akamasoa: nisitraka fotodrafitrasa fidiovana sy fahadiovana

Nahazo toeram-pivoahana sy fidiovana vokatry ny fanohanan’ny Unicef ny centre Akamasoa. Mitokana ny fotodrafitrasa ho an’ny ankizivavy sy ny ankizilahy ka mpianatra 4 325 no hahazo tombontsoa. Nampiasaina betsaka ny angovo azo avy amin’ny masoandro hanodinana ny fotodrafitrasa natolotra. Mifa­meno amin’ny fanomezana fanabeazana manaraka ny fenitra ny mpianatra indrindra ny tovovavy (anatin’ny fotoana hahatongavan’ny fadimbolana) ny toeram-pivoahana sy fidiovana ary mampihena ny aretina avy amin’ny rano tsy madio.
Isan-taona, 3 tapitrisa ny andro no very vokatry ny aretina noho tsy fahazoana misitraka rano madio sy toeram-pidiovana manara-penitra eto amintsika.
Nomena lanja manokana koa ny olona manana fahasembanana hikirakira ny fotodrafitrasa ka namboarina hifanaraka amin’izay, araka ny fanazavana. Manaraka ny fenitra amin’ny fahadiovana ny toeram-pivoahana sy fidiovana ary mazava ny efitra tsirairay. Efa novatsiana fitaovana fanasana tanana ny centre ny taona 2023. Miara-miasa ny Unicef sy ny ONG Sahi manentana ny mponina amin’ ny fikajiana ny fahadiovana.

Vonjy

Partager sur: