Ny 3 hatramin’ny 7 jona izao, hisy ny fandidiana goatra maimaimpoana karakarain’ny CHU Anosiala. Mandray anjara amin’ny fanomanana mialoha kosa ny marary toy ny fitiliana sy fitarafana izay tsy maintsy hatao hanampy amin’ny fandidiana ataon’ny dokotera mpandidy. Ny 24 ka hatramin’ny 29 mey izao ny fisoratana anarana ho an’ireo maniry hisitraka ny fandidiana.
Fampiasana ny fitaovana Littosim no nampahafantarina ireo mpizaika tao mahajanga ho fisorohana ny tanàna dibo-drano mandritra ny fahavaratra. Natao hitarafana mialoha ny endriky ny fahadoboan-drano ao Mahajanga ny fitaovana hahafahana miomana. Tsy afaka ampiasaina amin’ny tanàna hafa ny fitaovana fa natokana ho an’i Mahajanga irery ihany.
Velon-taraina amin’ny hafitsoky ny tsena
ankalamanja etsy Analakely ireo mpampiasa lalana. Milatsaka anaty arabe ireo mpiantsena amin’ireo tranoheva ka manelingelina tanteraka ny fifamoivoizana. Nihita tao amin’ny Gara Soarano hatramin’izay ny karazana tsena toy izao kanefa dia izao anaovana gaboraraka eny an-kianja izao.