Tetikasa Creative Minds: Omen-danja ny tontolo ara-kajy mirindra

Fitrandrahana ny talentan’ny tanora amin’ny tontolo ara-kajy mirindra no tanjona amin’ny tetikasa “Creative Minds”. Efa maro ireo tanora mivelatra an’izany sehatra izany ary mila tosika.

Hotanterahina eny Ando­ha­tapenaka ny 31 mey izao ny hetsika karakarain’ny tetikasa “Creative Minds” izay hanomezana sehatra ny tontolo ara-kajy mirindra eto Madagasikara. Homena tosika sy herijika ny tanora hiditra amin’ny tontolon’ny digital, hoy i Bezandry Mickael, lehiben’ny tetikasa “Creative Minds”.
Andiany voalohany ny hetsika izay hanasongadina hevi-dehibe telo dia ny fihaonana mivantana amin’ireo olona efa tena sangany amin’ny sehatry ny asa araka-kajy mirindra ary hizara ny fahaiza-manaony amin’ireo tanora izy ireo. Hisy koa ny dinika an-databatra boribory mahakasika ny fampianarana ny tanora sy ny nomerika. Ankoatra ireo, ny fizarana loka ho an’ireo mpandray anjara mendrika.
Tanjona amin’ity andiany voalohany ity ny fampahafantarana ireo sokajy toy ny fanaovana karazana dokambarotra manintona. Misy kalitao tiana apetraka dia ny mba hampisy lenta ambony ny vokatra noforonina mba hisongadina sy ho azo amidy.
Anisan’ny sokajy hifantenana ny “spot publicitaire” sangany, “maketing digital”, “créateur de contenue digital”, “site web”, diva de digital izay hanasongadina ny vehivavy efa lasa alavitra
amin’ny sehatry ny tontolo ara-kajy mirindra.
Betsaka ny tanora manan-talenta saingy tsy mahasahy maneho izany na amin’ny tambazotra sosialy aza.
Andro natokana hifanakalozan-kevitra sy hankalazana ny fandraharahana eo amin’ny haino vaky jery nomerika ny “Creative Minds”.
Mitsangana ny vovonana hahafahan’ny manan-talenta mivelatra sy mitrandraka ny talentany amin’ny sehatry ny “digitalisation». Hahafahana mahita ny lentan’ireo efa lasa alavitra ihany koa ho fitaratra sy fakan-tahaka ho an’ireo vao misondrotra.
Rehafa mipetraka tsara ny rafitra ametrahana ny talenta dia mampirisika azy ireo haneho izany amin’ny tambazotra sosialy.

Tatiana A

Partager sur: