Taona 2024-2025: nivoaka ny tetiandrom-pampianarana

Efa navoakan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena tamin’ity herinandro ity ny tetiandro ho an’ny taom-pianarana sy ny fanadinam-panjakana CEPE sy ny BEPC ho an’ny taom-pianarana vaovao 2024-2025. Hisantatra ny taom-pianarana ny 9 septambra ho avy izao ny mpianatra ho an’ny ambaratonga telo manerana ny Nosy. Mizara roa volana dimy toy ny teo aloha ny taom-pianarana izay elanelanin’ny fiatoana isaky ny roa volana. Ny 9 septambra ka hatramin’ny 25 oktobra ny roa volana voalohany, misy fiatoana voalohany ny 26 oktobra hatramin’ny 3 novambra. Miditra amin’ny roa volana faharoa ny 4 novambra hatramin’ny 20 desambra izay mitohy amin’ny fialantsasatry ny Noely manomboka ny 21 desambra hatramin’ny 5 janoary 2025.
Roa volana fahatelo manomboka ny 6 janoary hatramin’ny 21 febroary. Ao anatin’izany no hanatanterahana ny andron’ny sekoly, ny 19-21 febroary 2025. Miato ny fampianana ny 22 febroary hatramin’ny 2 marsa 2025. Miatrika ny roa volana fahefatra ny mpianatra ny 3 marsa hatramin’ny 11 avrily arahin’ny fitsaharana mandritra ny tapa-bolana hatramin’ny 27 avrily. Mamarana ny taom-pianarana ny roa volana farany 28 avrily hatramin’ny 20 jona. Ao anatin’ny fialantsasatra lehibe ny mpianatra manomboka ny 21 jona 2025.
Hotontosaina ny talata 17 jona ny fanadinana CEPE ary hisokatra ny 6 janoary ary hikatona ny 28 febroary ny fisoratana anarana amin’ny fanadinam-panjakana. Hanomboka ny 30 jona ka hatramin’ny 3 jolay ny fanadinana BEPC.

Vonjy

Partager sur: