Fiofananana CAMS : mpianatra fito nahazo diplaoma

Notanterahina teny amin’ny biraon’ny Komity Olympika Malagasy (COM), Alarobia Ivandry, omaly, ny lanonana fanolorana diplaoma ho an’ireo mpianatra fito mianadahy, enina lahy sy vavy tokana, andiany ILO. Nanaraka fampianarana “Cours Avancé en Management du Sport (CAMS)”, nandritra ny fito volana, izay karakarain’ny COM izy ireo.
Voafidy ho ray mpiahy ireto nandranto fianarana ireto, Randriamanarivo Harinelina, izay sekretera jeneralin’ny COM. Tsara ny mampahafantatra fa miisa 17 mianadahy izy ireo no nianatra teny am-piandohana, dimy vehivavy ary 12 lehilahy. Marihina fa ity no hetsika fahadimy amin’ny CAMS.

Fitia Randria

Hoy izy ireo

Andriavelomanana Victor-Lié, tale jeneralin’ny Malagasy Rugby, sady laharana voalohany tamin’ny andiany ILO: “Maro tamin’ireo nianarana no nampiharina ary misy amin’izy ireo no entina hanatsarana ny eo anivon’ny Malagasy Rugby”.
Manitriniaina Steeve Princy, mpitaiza tanora eo amin’ny taranja baolina kitra: “Nianatra ny taranja ara-panatanjahantena rehetra izahay, saingy samy nandray izay tandrifiny azy avokoa ny rehetra. Hoentiko hampivoarana ny tontolon’ny baolina kitra ny fampianarana izay norantoviko”.

Partager sur: