Tonga amin’ny famaranana ny andiany faharoa amin’ny fiadiana ny «Atsimondrano Champions League» (ACL 2024), taranja baolina kitra. Hotanterahina eny amin’ny kianja manara-penitra Antaninkatsaka Itaosy izany, rahampitso alahady 26 mey 2024. Fifaninanana karakarain’ny Atsimondrano Action sport sy Ratsivahiny Andry.
Hiady ny lelavola 4 tapitrisa Ar amin’izany ny FC Samada Soavina sy ny Valence FC Andranonahoatra. Nambaran-dRakotomalala Rado, tomponandraikitra teknika fa manaraka ny lalànan’ny federasiona iraisam-pirenena (Fifa), ny hampiharina amin’ity fifaninanana ity. Ankoatra izay, mahazo mampiasa mpilalao miisa 3 mandray anjara amin’ny «Pureplay football league» (PFL), ny ekipa roa tonta saingy kosa voamarina fa mipetraka ao amin’ny faritra misy ny ekipa.
Samy nanambara ny fahavononan’ny solontenan’ireo ekipa roa tonta ireo, ary vonona ny hampiseho endri-dalao tsara amin’ity famaranana ity. Hahazo 1 tapitrisa Ar ny faharoa ary samy homena fitaovana avokoa ireo ekipa 8 niatrika ny «Poule des As». Avy amin-dRatsivahiny Andry ny vola hozaraina ho an’ny mpandresy sy ireo fitaovana rehetra.
Hanokatra ny fihaonana ny lalaon’ny mpanao gazety sy ny firaisan’ny ben’ny Tanàna sy ny solombavambahoaka avy amin’ny distrikan’Atsimondrano.
Torcelin