« Fitiavan’i Neny » : nampitolagaga ny maro ny seho natolotr’i Mathieu

Seho miavaka no nentin’i Njakatiana sy i Lola ary i Mathieu, nanamarihana ny fetin’ny reny, omaly, tao anatin’ny fampisehoana « Fitiavan’i Neny ».

Tontosa omaly, teny Antsa­­­hamanitra, ny fampisehoana  « Fitiavan’i Neny ». Seho nafanain’i Lola sy i Njakatiana ary i Mathieu (La voix d’or). Fampisehoana nentina nanamarihina ny fe­tin’ny reny, izay nankalazaina omaly. Ankoatra ny fankafizana ny feo mangan’i Njakatiana sy i Lola, anisan’ny nahatalanjona ny mpijery ny fampisehoana ny niangalian’i Mathieu ny hiran’ireo mpanakanto ka­laza nifampizara sehatra taminy ireto. Samy afapo ny rehetra ary ny tena nalai-nisaraka tokoa teny ampiafaran’ny sehoa.
Fampisehoana anisan’ny nanamarika ny fankalazana ny fetin’ny reny, ity tontosa omaly ity. Nanakoako teny Antsaha­manitra ny feo mangan’i Lola sy i Njakatiana, niaraka tamin’ny Mathieu. Ani­san’ny tena nampiavaka ny seho ny fandraisan’anjaran’i Mathieu. Nan­ka­fizin’ny maro ny fahaizany mi­hira sy ny fahafehezany ny sehatra ka ahafahany mampifaly sy mampiditra ireo olona manatrika ao anaty ambiansy. Izy izay nihira ny hiran’i Njaka­tiana sy i Lola, nandritra ny fampisehoana. Mpanakanto anisan’ny zandriny, manampy isa ireo taniketsan’ny kanto malagasy, indrindra ny mozika raha i Mathieu.
Ankoatra izay anefa, tsy niova fa mbola ny seho nahafantarana an’i Njakatiana sy i Lola hatramin’izay ihany no nentin’izy ireo nanomezana fahafaham-po ny mpankafy tonga nijery azy ireo. Ny taona no niova fa ny laza sy ny maha izy ireto mpanakanto ireto mitoetra hatrany. Hira maro karazana no nentin’izy ireo nanomezana fahafaham-po ny mpankafy azy ireo ta­min’iny fampisehoana iny. Nisy ireo hira nilamindamina ary nisy ireo nihetsiketsika. Nisy ihany koa ny fampiaraham-peo teo amin’ireto andrarezin’ny hira malagasy ireto. Anisan’ny hira niarahan’ny maro nankafy ny “Tiako loatra”, “Hiangavy farany” ary ny “Tsy misy ohatran’i Neny”.

Lin

Partager sur: