« Tiako Neny », nandaharana ireo hira ho an’ny reny rehetra. Hafakely iny seho tetsy amin’ny CCEsca Antanimena omaly iny. Rehefa mety ho hira ho an’ny reny, nalahatr’ireo mpanakanto tao avokoa. Maherin’ny 30 izy ireo, izay nifarimbonan-dry Voahirana, Lilie, Gothlieb, Mahery ary i Farakely sy ireo mpitendry mpanaraka azy ireo. Tsy hiran’ny omaly sy kalon’ny fahiny ihany, fa rehefa mety ho hira nanomezam-boninahitra ny kitapo nifonosana dia nataon’izy ireo avokoa.
Nisongadina ry Anoka Ba Gasy, tao Antsirabe. Hafa noho ny seho mahazatra ny alin’ny zoma teo tao amin’ny Valahara Café. Ankoatra an-dry Haja Telofangady, Beauzaka de Mala, Ralanto ary i Mbola Talenta mantsy, nanatevina azy ireo teny an-tsehatra i Ynah sy i Hoby Zandry Gasy. Feno ny fepetra amin’ny maha seho bagasy ranofotsiny azy ary hitohy tsy ho ela any amin’ny faritra hafa izany.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny atrikasa momba ny feni-panoratana ny teny malagasy. Natao tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy izany, izay notarihin’ny profesora Ranaivoson Jeannot Fils, izay mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Oniversiten’ Antananarivo. Nahatratra 84 ireo mpandray anjara nisitraka ny fiofanana, izay nahitana mpanoratra, mpikabary, mpianatra, mpikaroka, mpanao gazety, sns.
Lasan’i Cyclope, avy any Sambava, ny amboaran’ny fifaninanana “Slam National Scolaire”, andiany faharoa. Tamin’ny alalan’ny isa 99,5/100 no nahazoany ny laharana voalohany. Ny tanànan’i Mahajanga kosa no nahazo ny laharana voalohany ho an’ny fifaninanana isan-tanàna.