Anisan’ny hetsika hanehoan’ireo Malagasy mpanakanto ny fivelaran’ny talentany ny “Smooth Night”. Niavaka avokoa ireo andiany 16 nisy nandritra ny 10 taona, ary mbola mikaroka ny lafatra izy ireo amin’ity andiany faha-17 ity.
Karazan-kira voafantina, sanganasan’ireo mpanakanto kalaza maneran-tany nivoy ilay antsoina ho “mozikan’ny mainty hoditra”. Ireny no notsongaina hatramin’izay, naverin’ireo mpanakanto manan-talenta ihany koa. Izay ny fototra niaingan’ny seho “Smooth Night”, izay naka faka ary tafapaka any amin’ireo mpankafy mozika, tao anatin’izay 10 taona nisiany izay. Karazana anjoria mozika mitety tany sy vanim-potoana, satria nisy tantara nanamarika azy ny hira tsirairay.
Ho fanamarihana izay 10 taona nisiany izay, eo am-piketrehana ny seho amin’ny kalitao avoavo kokoa ireo mpanakanto sy ny mpikarakara. Hotontosaina ny 31 mey izao, manomboka amin’ny 8 ora sy sasany, eny amin’ny Ibis Hôtel Ankorondrano ny andiany faha-17 amin’ity hetsika ity. Ny sanganasan-dry Lionel Richie, Earth Wind & Fire, Bruno Mars, Whitney Houston, Mariah Carey ary Sade no nifantenana ny filaharan-kira amin’io. Hifarimbona hanome izay kanto indrindra avy aminy kosa ireo mpihira toa an-dry Mirado, Arison Vonjy, Stephrambi, Mendryka, Trio II G5, Nanie, Pathy Andréas, Yrinaf ary i Kanto Tsiferana, sy ireo tanora mpitendry manan-talenta amin’izao fotoana izao.
Adiny telo ao anatin’ny mozika voafantina. Tsy toa ireny mahazatra amina “cabaret” ireny ny “Smooth Night”, satria misy fanomanana goavana mialoha ao. Efa andro vitsivitsy no nikatroka tao anatin’izany ireo mpanakanto sy ny mpikarakara. Firaisana tsikombakomba anatin’ny finamanana tanteraka, toy izay efa nisy tamin’ireo andiany rehetra ihany. Andrasana toy izany koa ny firotsahan’ireo mpankafy ao anatin’ny anjoria, hahafeno ny fepetra.
Zo ny Aina