Noraisina teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena ireo mpiandraikitra momba ny tomban’ezaka eo anivon’ny « Peace corps », i Carter Tanique sy Paul Romeo. Zava-dehibe ho an’ny minisitera ny fisian’ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin’ny «Peace corps», izay manofana mpampianatra sy mpianatra momba ny teny anglisy any amin’ireo toerana iasany eto Madagasikara.
Hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka atsimo andrefana, atsimo ary atsimo atsinanan’ny Nosy noho ny alondrano avy atsimo andrefana. Hahery ny ranomasina hanomboka anio hariva sy rahampitso, eo anelanelan’ny Morombe sy Vohipeno. Mety hisy fahasarotana ny fifamoivoizana na koa faharendrehana an-dranomasina.
Manomboka tazana eny an-tsena ny sainam-pirenena malagasy. Iray volana katroka mialoha ny fetim-pirenena isika izao ka fotoana hanairana ny rehetra hametaka sainam-pirenena isan-tokantrano hahatsiarovana ny fiverenan’ny fahaleovantena. Ireo saina efa tonta tokony hosoloina ary atao mikopakopaka tsara.
Naneho fiaraha-miasa ny ekipan’ny biraom-pirenena miady amin’ny famarinana olona sy ny ATT. Fanentanana ny mpandeha sy ny mpiasan’ny fitaterana, hatao eny amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy, mahakasika ny ady amin’ny fanararaotana sy ny fanondranana olona antsokosoko no atao amin’izany.