Mitohy hatrany ny fanolorana hetsika mahakasika ny kolontsaina sy ny fanabeazana, indrindra ho an’ny ankizy, ataon’ny IFM sy ny mpiara-miombon’antoka aminy. Izany indrindra no nanaovana izao “Zaza mifety” izao.
Tanterahina eny amin’ny Institut français de Madagascar (IFM) Analakely, manomboka ny 1 jona hatramin’ny 8 jona 2024, ny «Zaza mifety» andiany faharoa. Hetsika lehibe natokana ho an’ny zaza sy ny ankizy. Ahitana lalao entina mampivelatra ny sain’ny ankizy, manoloana ny zava-misy iainana amin’izao fotoana. Eo ihany koa ireo hetsika ara-kolontsaina sy ara-panabeazana maro. Tanjona ny hanolotra fialamboly laroina fampianarana sy fanabeazana ho an’ny ankizy.
Hiditra ny volana jona isika izao, volana nosokajiana ho volan’ny ankizy. Maro ny hetsika tanterahin’ireo ivontoerana sy fikambanana maro ho fanamarihana izany. Anisany ny “Zaza mifety”. Ahitana atrikasa sy kilalao ary fialamboly maro isan-karazany mandritra izany. Anisany ny fitantarana angano, iarahana amin’i Rakemba, ny atrikasa fanamboarana baolina amin’ny harona plastika, ny fambolena “Cactus”… Misy ihany koa fampisehoana sarimihetsika maro natao ho an’ny ankizy, sahala amin’ny “Kung Fu Panda 4”, “les explorateurs: l’aventure fantastique”… Anisan’ny tena hampiavaka ity andiany ity ihany koa ny fampisehoana “La note de Scott”, iarahana amin’i Etienne Sibille, izay anisan’ny vahiny nasaina manokana.
Zava-dehibe ny fikoloana ny sain’ny ankizy, manoloana ny zava-misy ankehitriny. Ny mahakasika ny fampitiavana ny tontolo iainana no tena iantefan’ny hetsika “Zaza mifety”. Izany indrindra no hisian’ireo atrikasa fanodinana ny fako ho kilalao sy firavaka afaka ampiasain’ny kilonga.
Lin