Tolona lalaovina ambony fasika : hiatrika ny ho tompondakan’ i Afrika i Madagasikara

Anisan’ireo firenena hanana solontena amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, eo amin’ny taranja tolona lalaovina ambony fasika, “beach wrestling”, ny Malagasy. Mahatratra 30 ireo firenena hiady ho lohany amin’izany.

Nambaran-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona (FML), teny amin’ny Kianja mitafon’ny ANS Ampefiloha, ny sabotsy lasa teo, fa handefa atleta hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, amin’ny tolona lalaovina ambony fasika, “beach wrestling”, i Ma­dagasikara. Fifaninanana ha­tao any Dakar Senegal, ny 22 sy ny 23 jona ho avy izao.

Handefa mpikatroka 3 mia­nadahy ny federasiona fa hiankina amin’ny fahitana mpa­nohana ny mety hitomboan’izany. Manana herijika handrombaka medaly ny Malagasy satria misy mpikatroka efa mahafehy tsara izany amin’izy ireo. Poro­fon’izany ny nahazoana me­daly roa tany RDCongo, nandritra ny “Lalaon’ny tany miteny ampahany na manontolo ny teny frantsay 2023”.

Tsy mbola misy anarana mivoaka aloha hatreto satria eo am-panomanana ireo atleta, hitiliana izay hiatrika izany, amin’izao fotoana izao, ny federasiona. Miisa 30 ireo firenena efa nanambara tamin’ny fomba ofisialy fa hiady ho lohany amin’ity Lalao hatao eny ambony fasika ity, ka anisan’izany i Madaga­sikara. Anisan’ireo firenena mafy amin’ity taranja ity ry zareo senegalais, mpampiantrano.

Aorian’ity fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ity, hitohy avy hatrany amin’ny fifaninanam-pirenena hatao any Toamasina, ny volana oktobra ho avy izao, ny fandaharam-potoanan’ny federasiona.

Ho an’ny “Lutte traditionnelle” indray, nanova paikady ny federasiona ka mampivondrona ireo atleta indray mandeha isan-kerinandro. “Mba hitazomana ny tanjaka sy herin’ireo atleta ny tanjona amin’izany satria tsy ny eto an-toerana no zava-dehibe fa ny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena”, hoy i Ma­mitiana.

Tompondaka

Partager sur: