Atrikasa gitara klasika, etsy amin’ny IKM Antsahavola. Hotontosaina ny zoma 31 mey izao manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, iarahana amin’i Richard Claude Rabemalanto. Mpampianatra gitara klasika fanta-daza, efa nampianatra an-taonany maro tany Frantsa izy. Vonona hizara maimaimpoana ny traikefany ho an’ireo liana ity mpampianatra mpanakanto ity.
Vita ny “Fetin’ny Reny”. Ho avy ny “Fetin’ny Ray”! Nitondra inona ho an’ny tsirairay ny fandalovan’ iny vanim-potoana iny? Hitondra inona ihany koa ny ho avy (Ray)? Raha mbola ny fombam-bahiny no omena vahana eo amin’ny fiarahamonina malagasy, sarotsarotra ny ahita fiovana. Mila miaina amin’ny kolontsainy ny Malagasy. Hiova ho any amin’ny tsara i Madagasikara. Izay no adidy lehibe andrasana amin’ny Reny!
Manomboka mitombo isa ireo toeram-pianarana na sekoly hampiditra ho taranja ianarana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Maro ireo mpampianatra azy ireny no efa misy manao tsiliantsofina. Tsy vitsy rahateo ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy azon’ny mpianatra hianarana sy trandrahina na hanaovana fikarohana ho an’ny ambaratonga ambony, sns!
Haseho amin’ity anio ity, eny amin’ny IFM Analakely, ny horonantsary fanadihadiana «Les derniers des Mikea». Hetsika tafiditra ao anatin’ny «Focus sur les peuples Mikea». Ao anatin’izany horonantsary fanadihadiana izany no hanehoana ny tantara sy fomba ary ny kolontsain’io foko iray io.