SOMBIM-BAOVAO

Ny talata lasa teo no nigadona voalohany tatsy Afrika Atsimo ny ampahany amin’ireo mpilalaon’ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao hifanandrinana amin’i Comores sy i Mali. Anisan’ireny i Tremoulet Sandro, Andriantiana Nomena, i Thierno Millimono, i Julien Pontgerard, i Titouan Safidy ary i Teva Gardies.

Nantsoin’ny Me Rôro, mpanazatra ny Barea de Madagascar hanatevina ny ekipa teknikany i Melvin Adrien. Hanampy eo amin’ny fanomanana ireo mpiandry tsatobin’ny ekipam-pirenena ny tenany. Efa tonga any Afrika Atsimo ihany koa moa izy amin’izao fotoana izao. Tsiahivina fa mbola maratra ny tenany ka tsy afaka miakatra kianja.

Handeha mivantana amin’ny fahitalavi-pirenena (TVM) ireo lalao roa hataon’ny Barea de Madagascar amin’ny fifanintsanana hiadian-toerana ho an’ny Mondial 2026. Raha tsiahivina, ny zoma 7 jona amin’ny 7 ora hariva ny fihaonana voalohany hifanandrinana amin’i Comores ary ny talata 11 jona amin’ny 4 ora folakandro ny amin’i Mali.

Hiatrika ny lalao ho an’olon-droa, eo amin’ny fiadiana ny amboara Roland Garros, taranja tenisy, anio, i Tiantsoa Rakotomanga, ilay Malagasy mizaka ny zom-pirenena frantsay. Hiaraka amin’i Emeline Dartron izy amin’izany. Hifandona amin’ireo rosianina, i Zvonareva sy i Miira Andreeva izy mirahavavy.

Partager sur: