Fotoana hieritreretana

 

Hafahafa ihany ho an’ny fitondrana ny vokatry ny fifidianana vonjimaika mivoaka, ankehitriny. Maro amin’ny faritra eto Madagasikara no mitarika ny avy amin’ny mpanohitra sy ny mahaleo tena. Any amin’ny laharana faharoa na fahatelo ny kandidà natolotry ny antoko sy ny mpanohana ny filohan’ny Repoblika. 24 ora taorian’ny latsabato no ahitana taratra izany.
Ampaham-bokatra ihany anefa, ary tsy misy mbola afaka misioka ho mpandresy raha tsy tafavoaka ny ala. Manana 10 andro hanangonana ny voka-pifidianana sy handinihana izay fanamarihana ny Vaomiera mahaleotena miandraikitra ny fifidianana, Ceni. Maro ny fiovana mety hiseho aorian’izany. Miakatra tsikelikely ny vato azon’ ny kandidà sasany, mihena ny an’ny hafa, arakaraka ny fahafenoan’ny vokatra.
Na inona na inona anefa vokatra hivoaka any amin’ny farany. Misy lesona tokony ho raisin’ny mpitondra ny zava-miseho, tao anatin’ny roa na telo andro izao. Nampiova zavatra lehibe teto amin’ny firenena ny fiaraha-mientan’ny mpikirakira ny tambajotran-tserasera, nilaza ny lesoka sy ny fomba tsy mifanaraka amin’ny tokony ho izy. Toraka izany ny voka-pifidiana, na dia ambany aza ny taham-pandraisana anjara tamin’ny latsabato.
Jerena amin’ny fijery miabo ny zava-drehetra mba ahafahana miroso amin’ny fanatsarana raha ilaina. Ahafahana manitsy ny mibiloka raha nisy. Avadika ho lakile manokatra ny varavaran’ny fivelarana amin’ny ankolafin-kery hafa. Indrindra ny fahaizana misafidy ny olona homem-pahefana.
Vanim-potoana tsy mbola tara izao, ho an’ny filohan’ny Repoblika, hanadio sy hahay misafidy izay hametrahany fitokisana. Tsy azo atao ny mitsaratsara fahatany saingy manomboka miha mena ny famantarana ho azy na mbola vitsy aza ny birao fandatsaham-bato nahazoana ny vokatra. Raha ho an’ny eto Antananarivo fotsiny aza, dia efa misy hisainana.

r.r

Partager sur: