“Mondial 2026” : hamonjy an’i Afrika Atsimo, ny herinandro ho avy io, i Rayan Raveloson

Hiatrika ny andro fahatelo sy fahefatry ny fiadiana ny tapakila hiatrehina ny “Mondial 2026”, ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ny volana jona. Andrasana ny fahatongavan-dRaveloson Rayan sy ireo namany.

Fito andro sisa! Hotan­terahina ao amin’ny ki­anja FNB Stadium Jo­han­nesburg, ny 7 jona ho avy izao, ny fihaonan’i Ma­da­­gasikara sy i Comores. Lalao izay tafiditra amin’ny fifanintsanana isam-bondrona, “Vondrona I”, hiadiana ny tapakila handraisana anjara amin’ny tompondaka ma­neran-tany “Mondial 2026”, ta­ranja baolina kitra, izay hatao any Meksika. Araka ny vaovao voaray avy any Afrika Atsimo, ny herinandro ho avy izao vao ha­monjy ny fampivondronan’ny ekipam-pirenena Barea i Rayan Raveloson, kapitenin’ny ekipam-pirenena.
Tsiahivina fa voahosotra ho tompondakan’i France, diviziona faharoa, ry Ravelo­son sy ny kliobany, AJ Auxer­re. Marihina fa avy niala sasatra tany Chine ny AJ Auxerre, ny herinandro lasa teo.
Ankoatra izay, raha tsy misy ny fiovana, ny alatsinainy kosa no ho avy i Loïc Lapous­sin sy i Abdallah. Raha ny ta­lata ho avy izao kosa ry Son­ny Laiton, Clement Couturier, Arnaud, Fontaine, Rojo Be sy Tsiry ary Ando Pro.
Ankoatra izay, efa niatrika ny fanazarantena izay tarihin-dRakotondrabe Romuald Felix, mpanazatran’ny Barea de Madagascar kosa ireo Malagasy mpilalao any Afrika Atsimo. Anisan’izany ry Safi­dy, Carolus, Tendry sy Rado ary Nina. Tsara ny mampahafantatra fa aorian’ity fihaonana ity, hifandona amin’i Mali ny Barea de Madagasikara.

Fitia Randria

Efa any Afrika Atsimo i Comores
Araka ny fikarohana natao, efa nigadona tany Afrika Atsi­mo, afakomaly koa ny mpilalaon’i Stefano Cusin, mpanazatran’ny Coelacanthes Comores. Ao amin’ny Radisson Blu Gautrain Hotel Johannesburg izy ireo no mipetraka. Nanom­boka ny fanazarantenany izy ireo omaly, ka ny ara-batana no nisantarana izany.
Tsiahivina fa voalohany ao amin’ny vondrona “I” i Comores, manana isa 6, raha toa ka fahatelo ny ekipa nasionaly malagasy, 3 ny isa azony. Tsara ny mampahafantatra fa tsy mbola nandresy an’i Madagasikara mihitsy i Comores nandritra ny fifanandrinan’ny roa tonta.

Partager sur: