Hotanterahina manomboka rahampitso hatramin’ny 9 jona ho avy izao, any Toamasina, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, N1A faritra Atsinanana, lahy sy vavy. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hanokatra izany any an-toerana ny fifanandrinan’ny USJFM Atsimo Andrefana sy ny ekipan’ny zandary GNBC Analamanga. Raha toa ka ny fihaonan’ny SBBC Boeny sy ny AS Fanalamanga kosa ny eo amin’ny sokajy lehilahy. Araka ny fandaharam-potoana voaray, hisy lalao sivy handeha amin’ ny faran’ny herinandro ho avy io ka dimy ny sabotsy ary efatra ny alahady.
Mialoha izany, misy ny fivoriana ara-teknika hatao eny amin’ny Gymnase Soavita Toamasina. Araka ny vaovao voaray teo anivon’ny Federasiona malagasin’ny basikety (FMBB), misy ny zavatra tokony hoentin’ny mpandray anjara mandritra ny fivoriana. Anisan’izany ny taratasim-pilalaovana sy ny karapanondron’
ireo mpilalao isaky ny klioba.
Fitia Randria
Ny fandaharan-dalao :
Toerana : Gymnase Soavita Toamasina
Sabotsy :
Vehivavy
10 ora : USJFM vs GNBC
2 ora : Fandrefiala vs Ascut
Lehilahy :
12 ora : AS Fanalamanga vs SBBC
4 ora : COSPN vs Cosfa
6 ora : BCB Boeny vs Ascut
Alahady :
Vehivavy :
3 ora : Ascut vs GNBC
Lehilahy :
11 ora : SBBC vs Cosfa
1 ora : BCB vs AS Fanalamanga
6 ora : Ascut vs COSPN