Fito taona aty aoriana! Hifandona indray ny ekipan’ny Real Madrid Espagne sy ny Dortmund FC Allemagne, ao amin’ny kianjan’ny Wembley Angleterre, rahampitso alina. Lalao famaranan’ny fiadiana ny tompondakan’i Eoropa, “Ligue des Champions (LDC) 2024”, ity hatao ity. Mbola manala vela ny ekipan’i Allemagne.
Tsiahivina fa ny taona 2017, resin’ny Real Madrid indroa, 3 no ho 1 sy 3 no ho 2, ny Dortmund. Tsara ny mampahafantatra fa in-13 nifanandrina ny roa tonta. Indimy nanao sahala ary intelo nandresy ry zareo Alemà raha toa ka inenina nahazo fandresena ny Espaniola.
Araka ny fikarohana natao, manana tombony amin’ity fihaonan’ny roa tonta ity ny ekipan’ny Real Madrid. Tsara ny mampahatsiahy fa famaranan’ny LDC faha-18 hatrehin’ny Real Madrid izao raha toa ka indroa ny Dortmund no hiatrika izany.
Efa samy namoaka ny lisitr’ireo mpilalao hiatrika izany avy ny roa tonta, ny alakamisy lasa teo. Ho an’ny Real Madrid, ao avokoa ireo kalazany toa an-dry Vinicus Jr, Bellingham, Rodrigo sy Valverde ary Toni Kroos. Ry Sabitzer sy Sancho ary i Emre Can kosa ny an-dry Dortmund.
Fitia Randria