Ririnina 2024 ; Dadafara : « Efa tokony hiova ny fidirana amin’ny hiragasy »

Eto Madagasikara ihany no ahitana ny hiragasy amin’ny firafitra tahaka izao ahitana azy ankehitriny izao. Na izany aza, kolontsaina sy zavakanto anisan’ny tsy nahazo vahana loatra izy ity… Milaza ny heviny momba izay i Dadafara Hiragasy.

Gazety Taratra (*) : Tafiditra ao anaty ririnina i Madagasikara. Manao ahoana ny tontolon’ny hiragasy?
Dadafara Lt Production (-): Azo zaraina ho roa ihany ny vanim-potoanan’ny ririnina raha ny filana na ny fampiasana ny hiragasy. Volana avrily sy mey ary jona, saika ireo mikarakara hetsika ho fitadiavam-bola no maro. Ao ny hanamboatra sekoly, na hanitatra fiangonana, sns. Manomboka ny volana jolay sy aogositra ary ny septambra (mamarana ny lohandohan’ny volana oktobra) indray, ilay adin-kiragasy ifandonan’ny tarika roa no tanterahina. Efa tafiditra ao anatin’io tapany voalohany io ankehitriny ny hiragasy.

* Taona 2024, mahavelona ny mpanao azy ve ny hiragasy? Raha misy ny lesoka, inona?
– Tantsaha ny ankamaroan’ny mpanao hiragasy. Izany hoe, mifameno amin’ny vokatry ny fambolena sy fiompiana ataony ny hiragasy. Kanefa, raha nizotra araka ny fisondrotry ny vidim-piainana ny vidim-pidirana, na ny saran’ny fakana mpihiragasy, azo lazaina fa mahavelona izy io. Efa tokony hiova ny vidim-pidirana. Taona 2024, mbola tamorain’ireo mpikarakara ihany izany ka zatra amin’ny 2 000ar ny mpijery. Efa tokony ho 5 000ar ny fidirana amina adin-kiragasy iray. Tokony hiova ihany koa ny sarany omena ny tarika mpihiragasy iray. Tsy hajanona eo amin’ny 1 000 000ar na 1 200 000ar. Mbola miala amin’io ny saran-dalana sy ny sakafo, zara raha mahazo 10 000ar sisa ny mpihiragasy iray.

* Ahoana ny fomba hidirana amin’io saram-pidirana vaovao io raha ny hevitrao?
– Mandalo fotoan-tsarotra daholo, na ny olona na ny fiarahamonina, ankehitriny. Noho izany, mila mifampitaiza ao anatin’ny fifampitsinjovana. Soa lehibe no azo avy amin’ny hiragasy, ka tsara raha omena ny hasina sahaza azy ny mpanao azy. Mino aho fa tsy hiteraka olana lehibe akory izany.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: