Rahampitso, hiditra ao anatin’ny fanamarihana ny « Iray volan’ny teny malagasy » i Madagasikara. Tahaka ny nahazatra hatramin’izay, hisy ny hetsika samihafa. Tsy ampy intsony anefa ireny manoloana ny fahapotehan’ny teny malagasy. Mahavariana, Malagasy tsy miteny amin’ny tenin-drazany. Mety mankahala izany mihitsy aza.
Ny teny no mampifamatotra ny zaza amin’ny reniny, taniny, fombany, ny momba azy manontolo mihitsy. Ny zaza no ho tonga lehibe any aoriana. Raha mbola teny vahiny no hoenti-manabe sy mitaiza any an-tokantrano, hihevi-tena tsy ho Malagasy intsony ny zanaka. Tsy ho tazana ao aminy ny fitiavan-tanindrazana. Hitoetra ao aminy ny fahasahiana hanamavo ny momba azy sy ny razany…
Anisan’ny fitaovana lehibe hoenti-mametraka ny maha izy azy ny olona iray, ny teny. Hain’ny mpanjakazaka an-tanin’olona izany. Hatramin’ izao, tsy mbola sahin’ny Malagasy ihany ny mampiana-janaka amin’ny tenin-drazany. Mbola tsy vitan’ny ray aman-dreny ny manaiky fa Malagasy ny zanany!
HaRy Razafindrakoto