« Slam poèsie »-Konahy J: hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany

Hisolo tena an’i Mada­gasikara, mandritra ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ho an’ny « Slam poèsie », atao any Togo, ny volana novambra 2024, Andria­nahy Zanadaory Joel Bastino, fantatra amin’ny anarana entiny miantsehatra hoe Konahy Junior. Izy, araka izany, no hiatrika ny fifaninanana iraisam-pirenena, ankoatra an’i Santa izay niatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany, tany Frantsa, tamin’ny fiandohan’ny volana mey 2024.
Miisa folo ireo hisolo tena an’i Afrika amin’ity andiany ity. Niisa 19 no nandray anjara tamin’ny fifanintsanana, ho an’ny teto Afrika, ka ny 10 voalohany tamin’ireo no tafakatra hiatrika ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany. Teo amin’ny laharana fahavalo, niaraka tamin’ny naoty 65,5 / 100 no nahitana an’i Konahy Junior. Raha tsiahivina, ny fitambaran’ny naoty nandritra ny andro sivy, nanatanterahina ny fifaninanana no natambatra nahazoana izao naoty izao. Afaka nifaninana tsara tamin’ireo mpifanandrina taminy ny solontena malagasy, raha ny salanisa no jerena. Teo amin’ny andro fahatelo, izay nahazoany naoty aotra kosa no tena nahatonga azy ho eo amin’io laharana io.
Na dia eo aza izany ny laharana nisy ity solontenan’ny Malagasy ity. Sokajiana ho anisan’ireo mpandray anjara manana ny maha izy azy eto Afrika, tao anatin’iny fifanitsanana iny izy.

Lin

Partager sur: