Dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa : “Lasa aloha loatra ny tanora sy ny ankizy mifoka sigara”

Efa namokatra boky torolalana hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny sigara ny Centre Aro Aina, miaraka amin’ny dokotera manam-pahaizana manokana momba izany. Hifantoka amin’ny mpianatra sy ny mpanabe ny fizarana eny Andohalo, anio maraina.

Velakevitra lehibe tontosaina eny amin’ny Lycée Andohalo, anio, ho an’ny daholobe, indrindra ny tanora sy ny ankizy mpianatra ary ny mpanabe no entin’ ny fikambanana Aro Aina hanamarihana ny Andro maneran-tany tsy hifohana sigara. “Nosafidiana manokana ny toeram-pianarana satria tsapan’ny tomponandraikitry ny Centre Aro Aina, manampy hiala amin’ny fiankinandoha amin’ny zava-mahadomelina samihafa (sigara, toaka, rongony…), fa lasa aloha loatra ary mivoatra isan-taona ny taonan’ny ankizy na lahy na vavy mandray sigara voalohany”, hoy ny dokotera Andriamiarinarivo Miarintsoa, manam-pahaizana momba ny fiankinandoha sady psychothérapeute. Amin’izao fotoana izao, manodidina ny 10 taona no mandray sigara voalohany ny ankizy. Izay indrindra no nahatonga ny lohahevitra nosafidiana ho an’ity taona ity mandritra ny fankalazana hoe: “Arovy ny ankizy amin’ny fisarihan’ny orinasa mpamokatra sigara”. Mandritra ny fizarana eny Andohalo, anio, homena torohevitra ahafahana miala amin’ny sigara ireo efa mifoka ary zaraina torolalana hisorohana tsy ho tafaroboka ireo mbola tsy tafiditra. Ny fiantraikan’ny fifohana sigara eo amin’ny tanora sy ny zatovo ary ny fiarahamonina iray manontolo no lohahevitra hifantohan’ny velakevitra.
Isan-kerinandro, olona 10 ka hatramin’ny 15 no tonga manatona ny Centre Aro Aina mila fanampiana hiala amin’ny fiankinandoha amin’ny sigara, 50% amin’izy ireo dia tanora avokoa ary efa mifoka sigara fa vonona hiala. Tokony ho fantatry ny ankizy na zatovo mifoka sigara fa varavarana iray mitondra amin’ny fandraisana toaka sy fidorohana zava-mahadomelina (rongony, rôrô) ny sigara. Eny anivon’ny fiarahamonina, heverina fa tsy miteraka zava-doza ny sigara ka tsinontsinoavina nefa loza mitatao ho an’ny taranaka izany.

Vonjy A.

Partager sur: